1 Chronicles 29:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nisaotra NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida hoe: Isaorana anie Ianao, RY TOMPO, Andriamanitr’Israely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nisaotra an’i Iaveh teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida, ka hoy i Davida: «Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie Ianao, ry Iaveh, Andriamanitr’i Israely rainay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankalaza ny TOMPO teo imason’ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe: –Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely razambenay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay!
Malagasy Bible 1865
Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nisaotra NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida hoe: Isaorana anie Ianao, RY TOMPO, Andriamanitr’Israely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.
malagasy
[Ny nisaoran'i Davida an'Andriamanitra sy ny fara-teniny tamin'ny Isiraely, sy ny nanendrena an'i Solomona, ary ny nahafatesan'i Davida] Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.