1 Chronicles 29:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Anao, TOMPO ô, ny fahalehibiazana, ny hery, ny voninahitra, ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, TOMPO ô, ary Anao ny fisandratana ho ambonin’izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Anao, ry Iaveh, ny fahalehibeazana, ny fahefana, ny fahamendrehana, ny famirapiratana ary ny voninahitra; fa Anao izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao, ry Iaveh, ny fanjakana, Anao ny fisandratana ambony lavitra noho ny zavatra rehetra!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan’ny zavatra rehetra.
Malagasy Bible 1865
Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Anao, TOMPO ô, ny fahalehibiazana, ny hery, ny voninahitra, ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, TOMPO ô, ary Anao ny fisandratana ho ambonin’izy rehetra.
malagasy