1 Chronicles 29:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fantatro, Andriamanitro ô, fa Ianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia tamin’ny hitsim-poko no nazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ankehitriny, efa hitako tamin’ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fantatro, ry Andriamanitra ô, fa mandinika ny fo Ianao, ary tia ny hitsim-po, ka an-tsitrapo no nanaovako izao fanatitra rehetra izao amin’ny fahitsian’ny foko; ary amin-kafaliana koa ankehitriny no ahitako ny vahoakako etoana, samy manolotra an-tsitrapo ny fanatiny ho Anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantatro, ry Andriamanitro ô, fa mandinika ny ao am-pon’ny olona Ianao ary mankasitraka ny hitsim-po. Raha izaho, dia tamin-kitsim-po no nanolorako an-tsitrapo ireo fanomezana rehetra ireo; ary ankehitriny, dia amin-kafaliana no ahitako ny vahoakanao izay vory eto, nanolotra an-tsitrapo ny fanomezany ho Anao.
Malagasy Bible 1865
Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin'ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin'ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fantatro, Andriamanitro ô, fa Ianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia tamin’ny hitsim-poko no nazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ankehitriny, efa hitako tamin’ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
malagasy