1 Chronicles 29:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’Andriamanitro, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ny vy hanaovana ny fanaka vy, ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony, ny vato alatsaka miloko fotsy somary volomparasy, ny vato misoratsoratra samihafa, ny vatosoa samihafa rehetra ary ny marbra fotsy betsaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanao izay tratry ny aiko aho namonona izay hanaovana ny tranon’Andriamanitra, dia volamena hanaovana ny fanaka volamena, volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, varahina hanaovana ny fanaka varahina, vy hanaovana ny fanaka vy, hazo hanaovana ny fanaka hazo, vato berila sy vato fandatsaka an-tranontranony, vato fanao ravaka sy samihafa volo, vato soa isan-karazany, ary vato marbra ankabetsahany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanao izay tratry ny aiko aho namonona fitaovana ho an’ny tranon’Andriamanitro: dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena; ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy; ny halimo hanaovana ny fanaka halimo; ny vy hanaovana ny fanaka vy; ary hazo hanaovana fanaka hazo. Nataoko vonona ny vato berila sy vato halatsaka an-tranontranony, ny vatomainty sy vato misoratsoratra, ny vatosoa isan-karazany ary ny vatokaranana betsaka.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon’Andriamanitro, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ny vy hanaovana ny fanaka vy, ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ny vato berila sy ny vato halatsaka an-tranontranony, ny vato alatsaka miloko fotsy somary volomparasy, ny vato misoratsoratra samihafa, ny vatosoa samihafa rehetra ary ny marbra fotsy betsaka.
malagasy
Ary tamin'ny heriko rehetra no namoriako izay hanaovana ny tranon'Andriamanitra, dia ny volamena hanaovana ny fanaka volamena, ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy, ary ny varahina hanaovana ny fanaka varahina, ary ny vy hanaovana ny fanaka vy, ary ny hazo hanaovana ny fanaka hazo, ary ny vato beryla sy ny vato halatsaka an-tranontranony ary ny vato alatsaka asiana antimony sy ny vato misoratsoratra ary ny vato soa samy hafa rehetra ary ny vatosanga betsaka.[Na: beryla mbamin'ny tranontranony][Na: tenona samy hafa soratra][marmora fotsy]