1 Chronicles 29:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Davida tamin’ny fiangonana rehetra: Miangavy anareo aho, misaora NY TOMPO Andriamanitrareo! Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO sy ny mpanjaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fiangonana rehetra koa nilazan’i Davida hoe: «Samia ianareo misaotra an’i Iaveh Andriamanitrareo.» Ka dia nisaotra an’i Iaveh Andriamanitry ny razany, ny fiangonana rehetra, sady niondrika izy ireo, sy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh sy teo anatrehan’ny mpanjaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Davida tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain’izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO sy teo anatrehan’ny mpanjaka.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Davida tamin'ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an'i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan'i Jehovah sy ny mpanjaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Davida tamin’ny fiangonana rehetra: Miangavy anareo aho, misaora NY TOMPO Andriamanitrareo! Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra NY TOMPO, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’NY TOMPO sy ny mpanjaka.
malagasy