1 Chronicles 29:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony ampitson’iny dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia vantotra ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ondry arivo mbamin’ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ny Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny ampitson’izany andro izany, dia namono zavatra natao sorona ho an’i Iaveh izy ireo, sy nanolotra sorona dorana ho an’i Iaveh: ombalahy arivo, ondralahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra araraka fanao, ary sorona hafa be dia be, ho an’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy sorom-pihavanana sy sorona dorana manontolo natolotra ho an’ny TOMPO, ny ampitson’iny: dia vantotr’ombilahy arivo, ondrilahy arivo, ary zanak’ondry arivo, mbamin’ny fanatitra divay araraka momba ireo. Be dia be tokoa ny sorom-pihavanana ka ampy hamahanana ny Israelita rehetra tonga teo.
Malagasy Bible 1865
Ary namono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah izy sady nanatitra fanatitra dorana ho an'i Jehovah nony ampitson'iny, dia vantotr'ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak'ondry arivo mbamin'ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an'ny Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony ampitson’iny dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’NY TOMPO izy sady nanolotra fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO, dia vantotra ombilahy arivo sy ondrilahy arivo ary zanak’ondry arivo mbamin’ny fanatitra aidina momba ireo ary fanatitra hafa be dia be ho an’ny Israely rehetra.
malagasy