1 Chronicles 29:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nihinana sy nisotro tamin’ny fifaliana be teo anatrehan’NY TOMPO ny olona tamin’izany andro izany. Ary nohamafisiny indray ny maha mpanjaka an’i Solomona, zanak’i Davida, sady nohosorany ho an’NY TOMPO ho mpanapaka, ary i Zadoka kosa ho mpisorona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nihinana sy nisotro teo anatrehan’i Iaveh tamin-kafaliana lehibe izy ireo, tamin’izay andro izay. I Salômôna zanak’i Davida nantsoiny ampahibemaso fanindroany ho mpanjaka sy nohosorany ho mpanapaka teo anatrehan’i Iaveh, ary i Sadôka koa nohosorany ho mpisorona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany andro izany, dia tamin-pifaliana lehibe no nihinanan’ny olona sy nisotroany teo anatrehan’ny TOMPO. Dia nanaovana fanambaràna fanindroany ny maha mpanjaka an’i Salômôna ka natolotra azy teo anatrehan’ny TOMPO ny fahefana maha mpanjaka; ary natokana ho mpisorona kosa i Tsadôka.
Malagasy Bible 1865
Ary nihinana sy nisotro tamin'ny fifaliana be teo anatrehan'i Jehovah ny olona tamin'izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak'i Davida, sady nohosorany ho an'i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nihinana sy nisotro tamin’ny fifaliana be teo anatrehan’NY TOMPO ny olona tamin’izany andro izany. Ary nohamafisiny indray ny maha mpanjaka an’i Solomona, zanak’i Davida, sady nohosorany ho an’NY TOMPO ho mpanapaka, ary i Zadoka kosa ho mpisorona.
malagasy