1 Chronicles 29:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’NY TOMPO ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy i Solomona, ary nambinina izy ka nanaiky azy ny Israely rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Iaveh i Salômôna, ho mpanjaka dimbin’i Davida rainy, sady nambinina izy ary nankatoavin’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana nomen’ny TOMPO azy i Salômôna mba ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy; sady nambinina izy ka nanaiky azy i Israely manontolo.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’NY TOMPO ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy i Solomona, ary nambinina izy ka nanaiky azy ny Israely rehetra.
malagasy
Ary Solomona dia nipetraka tamin'ny seza fiandrianan'i Jehovah ho mpanjaka handimby an'i Davida rainy, sady nambinina izy, ka nanaiky azy ny Isiraely rehetra.