1 Chronicles 29:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nanandratra an’i Solomona ho ambony indrindra teo imason’ny Israely rehetra sady nanome azy ny voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fiandrianan’i Salômôna nasandratr’i Iaveh ho ambony indrindra teo imason’i Israely rehetra, ny fanjakany nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka talohany teo amin’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nasandratry ny TOMPO teo imason’i Israely manontolo ny lazan’i Salômôna, ary nomeny voninahitra mihoatra noho ny an’ny mpanjaka rehetra talohany tao Israely ny fanjakany.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nanandratra an’i Solomona ho ambony indrindra teo imason’ny Israely rehetra sady nanome azy ny voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin’ny Israely.
malagasy
Ary Jehovah nanandratra an'i Solomona indrindra teo imason'ny Isiraely rehetra sady nanome azy voninahitry ny fiandrianana mihoatra noho ny mpanjaka rehetra talohany teo amin'ny Isiraely.