1 Chronicles 29:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ny volamena dia hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy dia hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samihafa rehetra izay hataon’ny tanan’ny mpahay taozavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO anio?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny volamena hanaovana fanaka volamena, ny volafotsy hanaovana fanaka volafotsy, mbamin’izay asa samihafa rehetra hataon’ny tanan’ny mpanao taozavatra. Iza àry no mba mazoto hanome fanatitra an-tsitrapo koa anio, ho an’i Iaveh?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza àry, amin’izao andro anio izao, no mba mazoto hanolotra fanomezana an-tsitrapo amin’ny TOMPO mba hanaovan’ireo mpahay taozavatra ny fanaka volamena sy volafotsy ary ny asa isan-karazany?
Malagasy Bible 1865
ny volamena hanaovana ny fanaka volamena ary ny volafotsy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samy hafa rehetra izay hataon'ny tanan'ny mpiasa mahay tao-zavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an'i Jehovah anio?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ny volamena dia hanaovana ny fanaka volamena, ny volafotsy dia hanaovana ny fanaka volafotsy sy hanaovana ny asa samihafa rehetra izay hataon’ny tanan’ny mpahay taozavatra. Iza ary no mazoto hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO anio?
malagasy