1 Chronicles 4:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ilay Jiosy vadiny no niteraka an’i Jareda, rain’ny any Gedora, sy i Ebera, rain’ny any Soko, ary i Jekotiela, rain’ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia, zanakavavin’i Farao, izay novadin’i Mereda.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ilay vehivavy Jody vadiny anankiray, niteraka an’i Jareda, rain’i Gedôra, sy i Hebera rain’i Sôkô, ary i Ikotiela rain’i Zanôe. Ireo no zanaka lahin’i Betià zanaka vavin’i Faraôna, nalain’i Mereda ho vady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary i Jehodià, vadiny hafa koa, dia niteraka telo mirahalahy: i Jereda mpanorina an’i Gedôra, i Hebera mpanorina an’i Sôkao, ary i Jekotiela mpanorina an’i Zanôa.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehodia vadiny niteraka an'i Jareda, razamben'ny any Gedora, sy Hebera, razamben'ny any Soko, ary Jakotiela, razamben'ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin'i Bitia, zanakavavin'i Farao, izay novadin'i Mareda.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ilay Jiosy vadiny no niteraka an’i Jareda, rain’ny any Gedora, sy i Ebera, rain’ny any Soko, ary i Jekotiela, rain’ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’i Bitia, zanakavavin’i Farao, izay novadin’i Mereda.
malagasy