1 Chronicles 4:41 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka namely ny tranolay sy ny fonenan’ny Mehonita hitany tao ary nandringana azy rehetra toy ny zavatra voaozona, mandraka ankehitriny. Nonina nisolo azy izy ireo satria nisy ahitra ho an’ny ondry aman’osiny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny andron’i Ekeziasa, mpanjakan’i Jodà, no nahatongavan’ireo olona voasoratra anarana ireo. Noravany ny lain’izy ireo mbamin’ny Maônita hitany tao, ka nony efa nataony anatema mandrak’androany, dia izy ireo no nisolo toerana azy, nonina teo, satria nisy ahitra ho an’ny biby fiompiny tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny andron’i Hezekià mpanjakan’i Joda no tonga tao ireo filohan-tarika voasoratra anarana ireo ka namely ny tranolay sy ny toby fiarovana hitany tao ary nandringana ny taranak’i Hama; dia nonina tao nisolo toerana azy mandraka androany, satria nisy ahitra ho an’ny andian’ondriny tao.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ny andron’i Hezekia, mpanjakan’ny Joda, ka namely ny tranolay sy ny fonenan’ny Mehonita hitany tao ary nandringana azy rehetra toy ny zavatra voaozona, mandraka ankehitriny. Nonina nisolo azy izy ireo satria nisy ahitra ho an’ny ondry aman’osiny tany.
malagasy
Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an'ny ondriny aman'osiny tany.[Na: sy ny Meonita][Heb. nanao azy ho herema]