1 Chronicles 4:42 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nisy lehilahy dimanjato tamin’ny taranak’i Simeona nankany amin’ny tendrombohitra Seìra ka i Peletia, i Nearia, i Refaia ary i Oziela, zanakalahin’i Jisy, no mpifehy azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy taranak’i Simeôna koa, dimanjato lahy no isany, nankany amin’ny tendrombohitra Seira. I Faltiasa, i Naariasa, i Rafaiasa, ary i Oziela zanak’i Jesì, no filohan’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary tamin’ny taranak’i Simehôna dia nisy lehilahy dimanjato notarihin’i Pelatià sy i Neharià ary i Refaià sy i Hoziela izay samy zanakalahin’i Jisehỳ; nankany an-tendrombohitr’i Sehira ireo,
Malagasy Bible 1865
Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin'ny taranak'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira ka nanana an'i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin'i Jisy, ho mpifehy azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nisy lehilahy dimanjato tamin’ny taranak’i Simeona nankany amin’ny tendrombohitra Seìra ka i Peletia, i Nearia, i Refaia ary i Oziela, zanakalahin’i Jisy, no mpifehy azy.
malagasy
Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin'ny taranak'i Simeona nankany amin'ny tendrombohitra Seira ka nanana an'i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin'i Jisy, ho mpifehy azy.Ary namely ny sisa afaka tamin'ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.