1 Chronicles 5:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely; izy no lahimatoa; saingy tamin’ny nandotoany ny farafaran’ny rainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Israely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny tetiarana ireo;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely. Fa izy no lahy matoa, saingy noho izy nandoto ny farafaran-drainy, dia nomena ny zanak’i Josefa zanak’i Israely, ny fizokiany; tsy dia nosoratana ho zokiny amin’ny tetiaram-pirazanana anefa i Josefa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Reobena no lahimatoan’i Jakôba, satria izy no voalohan-terany; kanefa tamin’ny nandotoan’i Reobena ny vadikelin-drainy, dia nomena an’i Jôsefa zanakalahin’i Jakôba ny fizokiany, ka tsy voasoratra ho zokiny tao amin’ny tetiarana intsony i Reobena.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zanakalahin’i Robena, lahimatoan’Israely; izy no lahimatoa; saingy tamin’ny nandotoany ny farafaran’ny rainy no nanomezana ny fizokiany ho an’ny zanak’i Josefa, zanak’Israely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin’ny tetiarana ireo;
malagasy
[Ny taranak'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase] Ary ny zanakalahin'i Robena, lahimatoan'Isiraely (fa izy no lahimatoa; saingy ny nandotoany ny farafaran-drainy no nanomezana ny fizokiany ho an'ny zanak'i Josefa, zanak'Isiraely; nefa tsy voasoratra ho zokiny amin'ny fitantaram-pirazanana ireo;