1 Chronicles 5:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nonina tany Gileada sy tany Basana ary tany amin’ny vohitra miankina aminy sy tany amin’ny tany rehetra manodidina an’i Saròna ka hatrany an-tsisiny izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nonina tany Galaada tany Basàna izy ireo ary tany amin’ny tanàna momba azy sy amin’ny tanimbolin’i Sarôna, hatrany an-tsisiny. Tamin’ny andron’i Joatama mpanjakan’i Jodà, sy ny andron’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny taranak’i Gada dia nonina tao Gilehada sy Basàna mbamin’ny faritra miankina aminy sy ny kijàna rehetra any Siriôna mipaka hatrany amin’ny sisiny farany lavitra indrindra.
Malagasy Bible 1865
Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nonina tany Gileada sy tany Basana ary tany amin’ny vohitra miankina aminy sy tany amin’ny tany rehetra manodidina an’i Saròna ka hatrany an-tsisiny izy ireo.
malagasy
Ary nonina tany Gileada sy tany Basana sy tamin'ny zana-bohiny ary tamin'ny tany rehetra an-tsisin'i Sardna manodidina izy.