1 Chronicles 5:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’ny tarana-dRobena sy ny Gadita ary antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, mahatana ampinga aman-tsabatra, mahalefa tsipìka, zatra an’ady, 44.760 ny isany, samy vonon-kilatsaka ho mpiady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, havanana mitana ampinga aman-tsabatra sy mandefa tsipîka sady zatra ady: 44.760 no isan’ireo vonon-kiantafika.
Malagasy Bible 1865
Ny taranak'i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, izay isan'ny lehilahy mahery, ka lehilahy mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, dia enim-polo amby fiton-jato amby efatra arivo sy efatra alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny taranak’i Robena sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, izay isan’ny lehilahy mahery, mahatana ampinga sy sabatra ary mahahenjana tsipìka sady zatra ny miady, miisa enimpolo sy fitonjato sy efatra arivo sy efatra alina, no azo nalefa hanafika.
malagasy