1 Chronicles 5:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nisy nanampy azy hamely an’ireo ka voatolotra teo an-tanany ny Agareanina mbamin’izay rehetra nomba azy. Fa nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, teo am-piadiana, ka nohenoiny noho ny fitokiany Azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nitaraina tamin’Andriamanitra izy nandritra ny ady, ka nohenoin’Andriamanitra satria natoky Azy; dia novonjeny ary voatolotra ho eo an-tanany ny Hagrîta sy izay rehetra mpomba azy.
Malagasy Bible 1865
Ary nombana hamely ireo izy, ka dia voatolotra teo an-tànany ny Hagarita mbamin'izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin'Andriamanitra teo amin'ny ady izy, ary nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nomban’Andriamanitra izy ireo teo amin’ny ady ka voatolotra teo an-tanany ny Hagarita mbamin’izay rehetra nomba azy, satria nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo nandritra ny ady, koa nekeny ny fangatahany noho ny fahatokiany Azy.
malagasy