1 Chronicles 5:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nivadika tamin’Andriamanitry ny razany anefa izy ireo fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nivadika tamin’ny Andriamanitry ny razany anefa izy ireo, fa nitolo-tena hanaraka ny andriamanitry ny vahoakan’ny tany izay naringan’Andriamanitra teo anoloany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Reobenita sy ny Gadita ary ny antsasa-pokon’i Manase dia nivadika tamin’ilay Andriamanitry ny razany ka nanompo ny andriamani-kafan’ny firenena tompon-tany izay efa naringan’Andriamanitra teo anoloany.
Malagasy Bible 1865
Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nivadika tamin’Andriamanitry ny razany anefa izy ireo fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan’Andriamanitra tsy ho eo anoloany.
malagasy
Ary nivadika tamin'Andriamanitry ny razany ireo, fa nijangajanga nanaraka ny andriamanitry ny tompon-tany, izay naringan'Andriamanitra tsy ho eo anoloany.