1 Chronicles 5:26 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny Andriamanitry ny Israely nampirisika an’i Pola, mpanjakan’i Asiria, sy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia noentiny tany Hala, tany Habora, tany Hara ary tany amoron’ny ony Gozana, ambaraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka namporisihin’ny Andriamanitr’i Israely, ny fanahin’i Fola mpanjakan’i Asiria sy ny fanahin’i Telgata-Falasara, dia nentin’ireo babo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, nentiny nankany Halà sy i Habôra ary i Arà mbamin’ny ony Gôzàna mandrak’androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nampirisihin’ilay Andriamanitr’i Israely i Pola sy i Tiglato-Pilesera samy mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Reobenita sy ny Gadîta ary ny antsasaky ny fokon’i Manase sady nentiny tany Halà sy Habôra sy Harà ary tany amoron’ny ony Gôzàna, ka mbola any ireo mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany. Ny zanakalahin'i Levy dia Gersona sy Kehata ary Merary. Ary ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela. Ary ny zanak'i Amrama dia Arona sy Mosesy ary Miriama. Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara. Eleazara niteraka an'i Finehasa; ary Finehasa niteraka an'i Abisoa; ary Abisoa niteraka an'i Boky; ary Boky niteraka an'i Ozy; ary Ozy niteraka an'i Zerahia; ary Zerahia niteraka an'i Meraiota; ary Meraiota niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Ahimaza; ary Ahimaza niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Johanana; ary Johanana niteraka an'i Azaria (ilay nanao fisoronana tao amin'ny trano nataon'i Solomona tany Jerosalema); ary Azaria niteraka an'i Amaria; ary Amaria niteraka an'i Ahitoba; ary Ahitoba niteraka an'i Zadoka; ary Zadoka niteraka an'i Saloma; ary Saloma niteraka an'i Hilkia; ary Hilkia niteraka an'i Azaria; ary Azaria niteraka an'i Seraia; ary Seraia niteraka an'i Jozadaka; ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny Andriamanitry ny Israely nampirisika an’i Pola, mpanjakan’i Asiria, sy i Tiglato-Pilesera, mpanjakan’i Asiria, ka nobaboin’ireo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia noentiny tany Hala, tany Habora, tany Hara ary tany amoron’ny ony Gozana, ambaraka androany.
malagasy
Ary Andriamanitry ny Isiraely namporisika an'i Pola, mpanjakan'i Asyria, sy Tiglato-pilesera mpanjakan'i Asyria, ka dia nobaboin'ireo ny Robenita sy ny Gadita sy ny antsasaky ny firenen'i Manase ka nentiny tany Hala sy Habora sy Hara ary tany amoron'ny ony Gozana ambaraka androany.