1 Chronicles 5:41 — Compare Translations
5 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lasa nandeha koa i Jozadaka nony voatolotry NY TOMPO ho babon’i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Josedeka dia lasa natao sesitany, nony nampanalain’i Iaveh, hoentin-ko babo tamin’ny alalan’i Nabokodonozora i Jodà sy i Jerosalema.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary i Jôtsadaky dia lasan-ko babo rehefa natolotry ny TOMPO ho babon’i Nebokadnetsara ny mponin’i Joda sy i Jerosalema.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lasa nandeha koa i Jozadaka nony voatolotry NY TOMPO ho babon’i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.
malagasy
ary dia lasan-ko babo Jozadaka, nony voatolotr'i Jehovah ho babon'i Nebokadnezara ny Joda sy Jerosalema.