1 Chronicles 6:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izy ireo no nanao fanompoana tamin’ny alalan’ny hira, tao amin’ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, ambara-panangan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema; nanatanteraka ny fanompoany araka ny filaharany avy izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny fonenan’ny tranolay fihaonana izy ireo, mandra-panaovan’i Salômôna ny tranon’i Iaveh tany Jerosalema, ary nipetraka nanao ny fanompoany araka ny nandaminana an’izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ambara-panorin’i Salômôna ny tranon’ny TOMPO tao Jerosalema, dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny tranolay atao hoe Tranolay fihaonana ireo, ary nanatontosa ny fanompoany araka ny filaharany avy.
Malagasy Bible 1865
ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izy ireo no nanao fanompoana tamin’ny alalan’ny hira, tao amin’ny tabernakely*, dia ny tranolay fihaonana*, ambara-panangan’i Solomona ny tranon’NY TOMPO tany Jerosalema; nanatanteraka ny fanompoany araka ny filaharany avy izy ireo.
malagasy
ka nanao hira fanompoam-pivavahana izy tao amin'ny tabernakely, dia ny trano-lay fihaonana, ambara-panaon'i Solomona ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema; koa raha nanao ny raharahany izy, dia nitsangana araka ny filaharany avy,