1 Chronicles 6:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa i Arona sy ny zanany lahy no nandoro ho fofona ny fanatitra teo ambonin’ny alitara fanolorana ny fanatitra dorana manontolo sy teo ambonin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; izy ireo no nisahana ny raharaha rehetra ao amin’ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an’ny Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Aarôna sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana, sy ny emboka teo ambonin’ny ôtelin’ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanatanteraka ny raharaha ao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an’i Israely, araka izay nandidian’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Aharôna sy ny taranany no mampanetona ny sorona dorana manontolo eo ambony alitara fisoronana sy mampanetona ny vovo-javamanitra eo ambony alitara fandoroana azy; ka nanatanteraka ny raharaha rehetra tao amin’ny Toeramasina Indrindra izy ireo ary nanao ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho an’ny vahoaka Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin'ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa i Arona sy ny zanany lahy no nandoro ho fofona ny fanatitra teo ambonin’ny alitara fanolorana ny fanatitra dorana manontolo sy teo ambonin’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra; izy ireo no nisahana ny raharaha rehetra ao amin’ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an’ny Israely, araka izay rehetra nandidian’i Mosesy, mpanompon’Andriamanitra.
malagasy
Fa Arona sy ny zananilahy no nanatitra teo ambonin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy teo ambonin'ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra, mba hanao ny raharaha rehetra ao amin'ny fitoerana masina indrindra sy hanao fanavotana ho an'ny Isiraely, araka izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra.[Heb. nandoro ho fofona]