1 Chronicles 6:45 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Geba sy ny tany manodidina azy, i Alemeta sy ny tany manodidina azy, i Anatota sy ny tany manodidina azy. Telo amby folo no isan’ny tanànan’izy mianakavy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny avy amin’ny fokon’i Benjamina kosa, dia i Gabea mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Almata mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy. Totalin’ny tanànan’izy ireo, tanàna 13 araka ny fianakaviany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny avy tamin’ny fokon’i Benjamîna dia i Geba sy i Halemeta ary i Hanatôta mbamin’ny kijàna samy manodidina azy. Dia 13 izany no isan’ny tanàna rehetra anjaran’ny taranak’i Aharôna araka ny fianakaviany avy.
Malagasy Bible 1865
ary avy tamin'ny firenen'i Benjamina dia Geba sy ny tany manodidina azy ary Alemeta sy ny tany manodidina azy ary Anotata sy ny tany manodidina azy. Dia telo ambin'ny folo no isan'ny tanànan'izy mianakavy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Geba sy ny tany manodidina azy, i Alemeta sy ny tany manodidina azy, i Anatota sy ny tany manodidina azy. Telo amby folo no isan’ny tanànan’izy mianakavy rehetra.
malagasy