1 Chronicles 6:55 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Amera sy ny tany manodidina azy; i Bileama sy ny tany manodidina azy. Izany dia ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary ny avy amin’ny antsasa-pokon’i Manase, i Anera, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Balaama, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kata sisa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny tanàna avy tamin’ny antsasa-pokon’i Manase kosa, izany hoe i Tahanàka sy i Jiblehama mbamin’ny kijàna samy manodidina azy, dia nomena an’ireo fianakaviana sisa anisan’ny taranak’i Kehata.
Malagasy Bible 1865
ary ny avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Amera sy ny tany manodidina azy; i Bileama sy ny tany manodidina azy. Izany dia ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa.
malagasy
ary ny avy tamin'ny antsasaky ny firenen'i Manase dia Amera sy ny tany manodidina azy ary Bileama sy ny tany manodidina azy, dia ho an'ny fokon'ny taranak'i Kehata sisa.