1 Chronicles 7:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy, i Refaia, i Jeriela, i Jamay, i Jibsama ary i Samoela, samy loham-pianakavian’i Tola ary samy lehilahy mahery tamin’ny fianakaviany avy ireo; eninjato sy roa arivo sy roa alina no isany tamin’ny andron’i Davida.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zanaka lahin’i Tolà: i Ozia, i Rafaia, i Jeriela, i Jemaia, i Jebsema, ary i Samoela, samy lohan’ny fokom-pianakaviany izay avy amin’i Tolà, lehilahy mahery, voasoratra araka ny taranany tamin’i andron’i Davida, 22.600 no isany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny zanakalahin’i Tôlà dia i Hozỳ sy i Refaià, i Jeriela sy i Jahimay ary i Jibsama sy i Samoela izay samy lohan’ireo fianakaviana nipoitra avy tamin’i Tôlà sady samy lehilahy mahery teo anatrehan’ny taranany. Tamin’ny andron’i Davida, dia 22 600 no isan’ny terak’i Tôlà.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanakalahin'i Tola dia Ozy sy Refaia sy Jeriela sy Jamay sy Jibsama ary Samoela, samy lohan'ny fianakaviany avy, dia zanak'i Tola sady samy lehilahy mahery tamin'ny fokony avy ireo; enin-jato amby roa arivo sy roa alina no isany tamin'ny andron'i Davida.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny zanakalahin’i Tola dia i Ozy, i Refaia, i Jeriela, i Jamay, i Jibsama ary i Samoela, samy loham-pianakavian’i Tola ary samy lehilahy mahery tamin’ny fianakaviany avy ireo; eninjato sy roa arivo sy roa alina no isany tamin’ny andron’i Davida.
malagasy