1 Chronicles 7:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny taniny sy ny fonenany dia i Betela sy ny vohitra miankina aminy; ny any atsinanana dia i Narana, ny any andrefana dia i Gezera sy ny vohitra miankina aminy ary i Sekema sy ny vohitra miankina aminy hatrany Gaza sy ny vohitra miankina aminy;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny taniny amam-ponenany, dia i Betela mbamin’ny tanàna momba azy, any atsinanana, i Noràna, any andrefana i Gezera mbamin’ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin’ny tanàna momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny anjara tany amam-ponenan’ny taranak’i Efraîma dia ireto avy: i Betela mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy; i Naharà, teo atsinanana; i Gezera mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, tao andrefana; i Sekema mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, hatrany Haià mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;