1 Chronicles 7:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nanana miaramila antokotokony izy araka ny taranany sy ny fianakaviany avy, enina arivo sy telo alina izany; fa maro ny vady aman-janak’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nana-miaramila momba azy, efa hary fitaovana hiantafika izy ireo, araka ny fianakaviana fiaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, nisy 36.000 ireny, fa maro vady aman-janaka izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
maro vady aman-janaka ny taranany, isam-pianakaviany, ka lehilahy mahery zatra miantafika 36 000 no nananany.
Malagasy Bible 1865
Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nanana miaramila antokotokony izy araka ny taranany sy ny fianakaviany avy, enina arivo sy telo alina izany; fa maro ny vady aman-janak’ireo.
malagasy
Ary nanana miaramila antokotokony izy araka ny fireneny sy ny fianakaviany avy, dia enina arivo amby telo alina; fa maro ny vady aman-janak'ireo.