1 Chronicles 7:40 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo zanakalahin’i Asera rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany ary olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ny loham-pireneny avy. Ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo sy roa alina; izay no azo nalefa hanafika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Zanak’i Asera avokoa ireo, lohan’ny fokom-pianakaviana, olom-boafantina sy mahery, lehiben’ny loham-pireneny, 26.000 no isany voasoratra, samy mahazo mitondra fiadiana hiantafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Taranak’i Asera avokoa ireo: samy loham-pianakaviany avy, samy olomanga, samy lehilahy mahery, samy mpitondra mamiratra; ary dia 26 000 teo amin’ny taranak’i Asera no isan’ny miaramila mpiantafika.
Malagasy Bible 1865
Ireo zanakalahin'i Asera rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany, olom-boafidy sady mahery ary lehiben'ny loham-pireneny avy. Ary ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo amby roa alina no isan'ny azo nalefa hanafika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireo zanakalahin’i Asera rehetra ireo dia samy loham-pianakaviany ary olom-boafidy sady mahery ary lehiben’ny loham-pireneny avy. Ny nanisana azy, araka ny firazanany, dia enina arivo sy roa alina; izay no azo nalefa hanafika.
malagasy