1 Chronicles 9:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraìta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny tranolay; ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Seloma zanak’i Kôre zanak’i Abiasafa zanak’i Kôre, mbamin’ny Kôreita rahalahiny amin’ny fianakavian-drainy, no nanao ny raharahan’ny mpiandry ny varavaran’ny tabernakla; ny razan’izy ireo no efa niandry ny vavahadin’ny tobin’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Saloma, zanakalahin’i Kôrà sy zafin’i Abiasafa ary zafiafin’i Kôra, mbamin’ny Kôrahita havany satria fianakaviana iray razana aminy, ireo no mpanao fanompoana amin’ny fiandrasana ilay varavaran’ny Tranolay fihaonana; ary ny razany koa dia mpiandry an’ilay varavaran’ny tobin’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Saloma, zanak’i Kore, zanak’i Abiasafa, zanak’i Kora, sy ny Koraìta rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin’ny fiandrasana ny varavaran’ny tranolay; ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin’ny tobin’NY TOMPO.
malagasy