1 Chronicles 9:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa amby folo sy roanjato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; notendren’i Davida sy i Samoela mpahita izy noho ny fahatokiany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
212 no isan’ireo olom-boafidy ho mpiandry varavarana ireo. Voasoratra amin’ny vohiny avy izy, ary i Davida sy i Samoela mpahita no nanendry azy hanao io raharaha io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny isan’izy rehetra voafidy ho mpiandry vavahady sy varavarana dia 212. Voasoratra tany amin’ny tanàna fiaviany avy ireo. I Davida sy i Samoela, ilay mpaminany isehoam-pahitana, no nanendry ny razambeny hanao izany raharaha izany noho ny toetra mahatoky nananany;
Malagasy Bible 1865
Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny isan’ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa amby folo sy roanjato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin’ny vohiny avy; notendren’i Davida sy i Samoela mpahita izy noho ny fahatokiany.
malagasy