1 Chronicles 9:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana ny sasany aminy ka nanisa azy ireny isaky ny mitondra azy miditra sy mivoaka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny Levita sasany kosa, nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana, ka navoakany sy nampidiriny ireny ny sady nisainy koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sasany tamin’ny mpiandry vavahady dia niadidy ny fanaka momba ny fanompoam-pivavahana, ka nanisa ireo fanaka entina hampiasaina sy entina haverina.
Malagasy Bible 1865
Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana ny sasany aminy ka nanisa azy ireny isaky ny mitondra azy miditra sy mivoaka.
malagasy
Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka.