1 Chronicles 9:33 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireo ihany koa no mpihira, ireo lohan’ny fianakaviana amin’ny levita ireo. Mitoetra any amin’ny efitrano ao amin’ny tempoly izy ireo ary tsy misahana raharaha hafa; fa tsy maintsy ho amin’izany raharaha izany andro aman’alina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo no mpihira, lohan’ny fianakavian’ny Levita nitoetra tamin’ny efitrano, afaka tamin’ny raharaha hafa, satria tsy maintsy eo amin’ny raharahany andro aman’alina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny mpiventy hira kosa, izay loham-pianakaviana teo amin’ny levita, dia nitoetra tao amin’ny efitrano voatokana ho azy; ary tsy nanana andraikitra hafa ireo satria nanao ny raharahany andro aman’alina.
Malagasy Bible 1865
Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy.