1 Corinthians 1:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ka hiray saina sy hevitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihanta aminareo amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika aho, ry kristianina havana, mba hiray teny daholo ianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa ianareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ry havako, izao no iangaviako anareo amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika: mifanaraha ianareo rehetra, ary aza mifanao an-kolafiny; aoka hiray saina sy hevitra ianareo ka hivondrona tsara.
Malagasy Bible 1865
Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy* Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ka hiray saina sy hevitra.
malagasy
[Anatra noho ny fifampiandanian'ny fiangonana tao Korinto, sy filazana ny amin'ny nitorian'Paoly ny filazantsara] Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.