1 Corinthians 10:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy fiombonana amin’ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy fiombonana amin’ny tenan’i Kristy va izany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Moa ny kalisim-pisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny Ran’i Kristy va? Ary moa ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny Tenan’i Kristy va?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fisotro isaorantsika an’Andriamanitra, moa tsy mampiombona antsika amin’ny ran’i Kristy ve izany? Ary ny mofo izay ifanapahantsika, moa tsy mampiombona antsika amin’ny tenan’i Kristy ve izany?
Malagasy Bible 1865
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin 'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin 'ny tenan'i Kristy va izany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy fiombonana amin’ny ran’i Kristy* va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy fiombonana amin’ny tenan’i Kristy va izany?
malagasy
Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin'ny ran'i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin'ny tenan'i Kristy va izany? [ sy Na: fiombonana]