1 Corinthians 10:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha misy milaza aminareo hoe: Hena naterina tamin’ny sampy io dia aza homana noho ny amin’ilay nilaza taminareo sy noho ny fieritreretana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha misy manao aminareo hoe: «Natao fanatitra tamin’ny sampy io,» no aza mihinana, noho ilay nilaza sy noho ny kônsiansy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa raha ilazan’olona ianareo hoe: «Hena natao fanatitra tany amin’ny sampy io», dia aza homana, noho ilay nilaza sy noho ny fieritreretana;
Malagasy Bible 1865
Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha misy milaza aminareo hoe: Hena naterina tamin’ny sampy io dia aza homana noho ny amin’ilay nilaza taminareo sy noho ny fieritreretana.
malagasy
Fa raha misy manao aminareo hoe: Hena naterina tamin'ny sampy io, dia aza homana noho ny amin'ilay nilaza sy ny fieritreretana.