1 Corinthians 10:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin-dry zareo fanahy Azy ka nahatonga azy ireny ho matin’ny menarana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Eny, aoka isika tsy haka fanahy an’i Kristy, tahaka ny nakan’ny sasany tamin’ireny fanahy Azy, ka matin’ny bibilava izy ireny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka isika tsy haka fanahy ny Tompo toy ny nataon’ny sasany tamin’ireny, izay maty voakaikitry ny bibilava.
Malagasy Bible 1865
Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan’ny sasany tamin-dry zareo fanahy Azy ka nahatonga azy ireny ho matin’ny menarana.
malagasy
Ary aoka tsy haka fanahy ny Tompo isika, tahaka ny nakan'ny sasany tamin'ireny fanahy Azy, ka matin'ny menarana ireny. [ Na: [an'i Kristy]