1 Corinthians 11:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mankasitraka anareo aho satria mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana voatolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Midera anareo aho, fa sady mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo no mitana tsara ny fampianarako, araka ny nanomezako azy anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Deraiko ianareo, fa tsarovanareo aho amin’ny zavatra rehetra sady tandrovinareo tsara ny fampianarana nampitaiko araka ny nampitako azy taminareo.
Malagasy Bible 1865
Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mankasitraka anareo aho satria mahatsiaro ahy amin’ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana voatolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.
malagasy
[Ny amin'ny tokony hisaronan'ny vehivavy loha ao am-piangonana] Ary midera anareo aho, satria mahatsiaro ahy amin'ny zavatra rehetra ianareo sady mitana tsara ny fampianarana natolotra, araka ny nanolorako azy taminareo.