1 Corinthians 11:22 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hankasitraka anareo va aho? Tsia, tsy hankasitraka anareo amin’izany aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manazimba ny tranon’Andriamanitra, ka sahy manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsia, tsy hidera anareo amin’izany velively aho!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy manana tokantrano hihinanana sy hisotroana ve ianareo? Sa dia satrinareo hanazimbazimba ny Fiangonan’Andriamanitra sy hanome henatra ny tsy manana? Inona re no holazaiko aminareo? Hidera anareo ve aho? Tsia, tsy hidera anareo amin’izany aho!
Malagasy Bible 1865
Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan'Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hidera anareo va aho? Tsy hidera anareo amin'izany aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy manan-trano hihinanana sy hisotroana va ianareo? Sa manao tsinontsinona ny fiangonan’Andriamanitra ka manome henatra ny tsy manana? Inona no holazaiko aminareo? Hankasitraka anareo va aho? Tsia, tsy hankasitraka anareo amin’izany aho.
malagasy