1 Corinthians 12:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary teo amin’ny fiangonana dia izao no nanendren’Andriamanitra azy: Voalohany apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana, asa fanampiana, fitondrana ary fiteny samihafa tsy fantatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hahasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ao amin’ny Fiangonana dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny olona: voalohany, ireo apôstôly; faharoa, ireo mpilaza hafatra avy amin’Andriamanitra; fahatelo, ireo mpampianatra; manaraka izany, ireo mandray fanomezam-pahasoavana hanao asa mahagaga, hanasitrana marary, hanampy olona, hitondra olona ary hiteny fiteny samy hafa tsy fantatra.
Malagasy Bible 1865
Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary teo amin’ny fiangonana dia izao no nanendren’Andriamanitra azy: Voalohany apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, fanomezam-pahasoavana hoenti-manasitrana, asa fanampiana, fitondrana ary fiteny samihafa tsy fantatra.
malagasy
Ary Andriamanitra efa nanendry ny sasany teo amin'ny fiangonana, voalohany Apostoly, faharoa mpaminany, fahatelo mpampianatra, manaraka izany dia fahagagana, dia fanomezam-pahasoavana ho enti-mahasitrana, dia fanampiana, dia fitondrana, dia fiteny samy hafa tsy fantatra. [ Gr. hery]