1 Corinthians 13:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa ankehitriny isika dia mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita tsara fa manjavozavo; fa rahatrizay dia hahita mifanatrika; ankehitriny dia sombintsombiny ihany no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny tokoa dia mahita manjavozavo toy ny amin’ny fitaratra isika, fa rahatrizay vao hahita mifanatrika. Ankehitriny dia sombiny no zavatra fantatro, fa rahatrizay aho vao hahafantatra tsara toy ny ahafantaran’Andriamanitra ahy.
Malagasy Bible 1865
Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa ankehitriny isika dia mizaha ao amin’ny fitaratra ka tsy mahita tsara fa manjavozavo; fa rahatrizay dia hahita mifanatrika; ankehitriny dia sombintsombiny ihany no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.
malagasy
Fa ankehitriny isika mizaha ao amin'ny fitaratra ka tsy mahita marina; fa rahatrizay dia mifanatrika; ankehitriny sombintsombiny no fantatro; fa rahatrizay dia ho fantatro tsara toy izay nahafantarana ahy.Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.