1 Corinthians 13:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Na dia manana ny fanahin’ny faminaniana aza aho ka mahalala ny zavamiafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na dia manana ny fanomezana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra aza aho ka hahatakatra ny zava-miafina rehetra sady ho feno ny fahaizana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra ilaina mba hahafindra tendrombohitra aza aho, saingy tsy manam-pitiavana, dia tsinontsinona ihany.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia manana faminaniana aza aho ka mahalala ny zava-miafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Na dia manana ny fanahin’ny faminaniana aza aho ka mahalala ny zavamiafina rehetra sady manana ny fahalalana rehetra, ary na dia manana ny finoana rehetra aza aho ka mahafindra tendrombohitra, kanefa tsy manana fitiavana, dia tsinontsinona aho.
malagasy