1 Corinthians 14:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ahoana ary no izy? Sady hivavaka miaraka amin’ny fanahiko aho no hivavaka miaraka koa amin’ny saina; sady hihira miaraka amin’ny fanahy aho no hihira miaraka amin’ny saina koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatao ahoana àry? Izao: sady hivavaka amin’ny fanahy aho no hivavaka amin’ny saina koa; sady hihira amin’ny fanahy aho no hihira amin’ny saina koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahoana àry no hataoko? Hivavaka amin’ny fanahiko aho no sady hivavaka amin’ny saiko ihany koa; hihira amin’ny fanahiko aho no sady hihira amin’ny saiko ihany koa.
Malagasy Bible 1865
Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ahoana ary no izy? Sady hivavaka miaraka amin’ny fanahiko aho no hivavaka miaraka koa amin’ny saina; sady hihira miaraka amin’ny fanahy aho no hihira miaraka amin’ny saina koa.
malagasy
Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho.