1 Corinthians 14:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha manao fisaorana araka ny fanahy fotsiny ianao dia hataon’izay tsy mahay ahoana no hiteny Amena raha misaotra ianao satria tsy mahafantatra izay lazainao izy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha mivavaka amin’ny fanahy fotsiny ianao, hataon’ny ankapobem-piangonana ahoana no famaly «Amen» ny fisaoranao, nefa tsy fantany akory izay lazainao?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an’Andriamanitra, hataon’izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly « Amen » ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao.
Malagasy Bible 1865
Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha manao fisaorana araka ny fanahy fotsiny ianao dia hataon’izay tsy mahay ahoana no hiteny Amena raha misaotra ianao satria tsy mahafantatra izay lazainao izy?
malagasy
Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy.