1 Corinthians 14:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nefa raha ao am-piangonana dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny hafa koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
nefa ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy hampianarako ny hafa amin’ny saiko, toy izay hanao teny iray alina amin’ny teny tsy fantatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa, ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy mazava amin’ny saiko mba hampianarako ny hafa toy izay teny arivoarivo amin’ny fiteny tsy fantatra.
Malagasy Bible 1865
nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nefa raha ao am-piangonana dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny hafa koa, toy izay hanao teny iray alina amin’ny fiteny tsy fantatra.
malagasy
nefa raha ao am-piangonana, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [ Gr. eklesia]