1 Corinthians 14:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Voasoratra ao amin’ny lalàna hoe: «Amin’ny olona hafa fiteny sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; nefa na amin’izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO» (Isa 28.11-12).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Voasoratra ao amin’ny Lalàna hoe: Amin’ny olona hafa fiteny, sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; ary na dia amin’izany aza, dia mbola tsy hihaino Ahy ihany izy, hoy ny Tompo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izao no voalaza ao amin’ny Soratra Masina: «Olona hafa fiteny no hitenenako amin’ity vahoaka ity, hoy ny Tompo, vavan’ny vahiny no hiresahako aminy! Nefa, na dia amin’izany aza, dia tsy hohenoiny Aho.»
Malagasy Bible 1865
Voasoratra amin'ny lalàna hoe: Amin'ny olona hafa fiteny sy amin'ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin'ity firenena ity; fa na dia amin'izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy Jehovah (Isa. 28. 11, 12).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Voasoratra ao amin’ny lalàna hoe: «Amin’ny olona hafa fiteny sy amin’ny molotry ny olon-kafa no hitenenako amin’ity firenena ity; nefa na amin’izany aza dia tsy hihaino Ahy izy, hoy NY TOMPO» (Isa 28.11-12).
malagasy