1 Corinthians 14:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo dia misy te hihira, misy ta hampianatra, misy manana fanambaràna, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatao ahoana àry, ry kristianina havana? Raha miangona ianareo, ka samy manana ny azy: ny sasany, hira; ny sasany, fampianarana; ao ny manana fanambaràna, ao ny manana fiteny tsy fantatra, ary misy manana fandikàn-teny: dia aoka hatao fampandrosoana ny namana ny zavatra rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahoana àry no izy, ry havako? Raha miangona ianareo, dia misy manana hira, misy manana fampianarana, misy manana fanambarana, misy milaza hafatra amin’ny fiteny tsy fantatra ary misy manazava izany: aoka ny zavatra rehetra hatao mba hampandroso ny mpiangona amin’ny finoana.
Malagasy Bible 1865
Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo dia misy te hihira, misy ta hampianatra, misy manana fanambaràna, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
malagasy