1 Corinthians 14:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina izany na lokanga, na dia maneno aza ka tsy mamoaka feo samihafa, ahoana no hahafantarana izay feo ataony, na an’ny sodina izany na an’ny lokanga?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha tsy feo miavakavaka mazava no avoaky ny zavatra tsy manana aina, toy ny sodina na lokanga, ahoana no hahafantarana izay hira atao, na amin’ny sodina, na amin’ny lokanga?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raiso ho ohatra ireo zavamaneno tsy manana aina, toy ny sodina na ny valiha. Raha tsy re mazava sady miavaka tsara ny feo avoakany, moa ve hisy hahalalana ny hira atao aminy avy?
Malagasy Bible 1865
Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina izany na lokanga, na dia maneno aza ka tsy mamoaka feo samihafa, ahoana no hahafantarana izay feo ataony, na an’ny sodina izany na an’ny lokanga?
malagasy
Ary ny zavatra tsy manana aina, na sodina, na lokanga, na dia maneno aza, raha tsy manao feo samy hafa, ahoana no hahafantarana izay ataony, na amin'ny sodina, na amin'ny lokanga?