1 Corinthians 15:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa «efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra» (Sal 8.6). Fa na dia lazainy aza hoe: «Ny zavatra rehetra no nampanekena», dia mazava fa tsy mba isan’izany ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa nataony hoe: Nampanekena ny zavatra rehetra, dia fantatra mazava fa tsy anisan’izany izay nampanaiky azy ny zavatra rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny zavatra rehetra dia nampaneken’Andriamanitra ho eo ambanin’ny tongony.» Kanefa raha ny Soratra Masina milaza hoe: «Nampanekena Azy ny zavatra rehetra», dia miharihary fa tsy mba isan’izany Andriamanitra Izay nampanaiky an’i Kristy ny zavatra rehetra.
Malagasy Bible 1865
Fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony (Sal. 8. 6). Fa na dia hataony hoe aza: Ny zavatra rehetra no nampanekena, dia fantatra marina fa tsy mba isan'izany Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa «efa nampanekeny ho eo ambanin’ny tongony ny zavatra rehetra» (Sal 8.6). Fa na dia lazainy aza hoe: «Ny zavatra rehetra no nampanekena», dia mazava fa tsy mba isan’izany ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra.
malagasy