1 Corinthians 15:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra irery ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka aza dia hanaiky izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra, mba ho zavatra rehetra amin’izy rehetra Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary rehefa nampaneken’Andriamanitra an’i Kristy ny zavatra rehetra, na Izy Zanaka ihany koa aza dia hanaiky an’Andriamanitra Izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra; hany ka ho zavatra rehetra amin’ny olona rehetra Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra dia ny tenan’ny Zanaka koa aza no hanaiky ny Ray izay nampanaiky Azy ny zavatra rehetra mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra irery ihany.
malagasy
Ary rehefa nampanekena Azy ny zavatra rehetra, dia ny tenan'ny Zanaka koa aza no hanaiky Izay nampanaiky ny zavatra rehetra Azy, mba tsy hisy fototra sy antony afa-tsy Andriamanitra ihany. [ Gr. mba ho zavatra rehetra amin'izy rehetra Andriamanitra]