1 Corinthians 15:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha araka ny fijerin’olombelona no niadiako tamin’ny bibidia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy hatsangana ny maty dia «aoka isika hihinana sy hisotro fa rahampitso dia ho faty» (Isa 22.13).
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha araka izay hevitr’olombelona fotsiny no niadiako tamin’ny biby dia tany Efezy, dia inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy mitsangana ny maty, aoka hihinana sy hisotro isika, fa rahampitso dia ho faty e!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha araka izay hevitr’olombelona fotsiny no niaretako fanenjehana mafy teto Efeso, soa inona no azoko tamin’izany? Raha tsy mitsangana velona ny maty, dia «aoka hihinana sy hisotro isika, fa ho faty rahampitso.»
Malagasy Bible 1865
Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha araka ny fijerin’olombelona no niadiako tamin’ny bibidia tany Efesosy, inona no soa azoko amin’izany? Raha tsy hatsangana ny maty dia «aoka isika hihinana sy hisotro fa rahampitso dia ho faty» (Isa 22.13).
malagasy
Raha araka ny fanaon'olona no niadiako tamin'ny bibi-dia tany Efesosy, inona no soa azoko amin'izany? Raha tsy hatsangana ny maty, dia aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty (Isa. 22. 13). [ Na: inona no soa azoko, raha tsy atsangana ny maty? Aoka isika hihinana]